Γνωρίζατε ότι υπήρχε μια εταιρεία που παρήγαγε πολυτελή αυτοκίνητα στη Μαδαγασκάρη;
(Ευγενική προσφορά του Shawn O'Neill)
Η SOMACOA (Malagasy Automobile Construction Company) ιδρύθηκε το 1962 κατά τη διάρκεια της Προεδρίας του Προέδρου Tsiranana.
Ήταν εκείνη την εποχή που τα «Citroen, Peugeot, Renault», τα πολυτελή αυτοκίνητα της εποχής, συγχωνεύτηκαν εδώ.
Στις 9 Φεβρουαρίου 1962, ο Πρόεδρος Philbert Tsiranana παρευρέθηκε στην επίσημη παρουσίαση των αυτοκινήτων 2CV και 3CV, που παράγονται στη Μαδαγασκάρη.
Ταυτόχρονα, η εταιρεία l'Entreprise de Construction Automobile Malgache (ECAM) παρήγαγε το "Ami 6" και το "Méhari", παράγοντας 5 ή περισσότερα αυτοκίνητα την ημέρα.
Περίπου 350.000 φράγκα ελήφθησαν για ένα νέο αυτοκίνητο.
Έχουμε εξάγει ακόμη και αυτοκίνητα σε αδελφές χώρες, ορισμένες αφρικανικές και αραβικές χώρες.
FANTATRAO VE fa efa nisy Orinasa namokatra ny fiara raitra fahiny teto Madagasikara?
(Lahatsoratr'i MALAGASY VE IANAO)
Tamin'ny taona 1962 no efa nisy ny Orinasa SOMACOA ( socièté Malgache de construction automobile), nandritra ny Fitondran'ny Filoha Tsiranana.
Tamin''izany fotoana izany no natambatra teto ny fiara "citroen, peugeot, renault", ireo fiara raitra tamin'izany fotoana izany.
Ny 9 Febroary 1962 i Filoha Philbert Tsiranana no nanatrika ny namoahana tamin'ny fomba ofisialy ny fiara 2CV sy 3CV, novokarina teto Madagasikara.
Tamin''izany fotoana izany ihany koa no nisian'ny orinasa l'Entreprise de Construction Automobile Malgache (ECAM) namokatra ireny "Ami 6" sy ny " Méhari" ireny, nahavita fiara 5 na mahery isan'andro.
Manodidina ny 350.000Francs teo dia nahazo fiara vaovao tamin'izany.
Isika teto mihitsy aza no manondrana fiara tany amin'ireo Firenena rahavavy sy ireo Firenena afrikana ary arabo sasany.
Injiniera malagasy no tena nahazo vahana tao. Ny Orinasa vahiny no mampiofana any France.
Ny Fandrosoana fahiny e!
Sary : Archives Nationales de Madagascar.
(Nb:Mitady namana 1 na 2 haka ireo boky Tantara sy Tahiry rehetra momba an'i Madagasikara. 8go ny fitambaran'izy rehetra ka izay vonona tonga dia miantsoa ny laharana 0347425945:whatsapp na 0333711542.Mety foana na any ivelany aza ianao)